Ity fianarana ity dia ho anao izay ao amin’ny kilasy Famaranana sokajy A, ka hanampy anao hahatakatra ny fisainan’ny Malagasy momba ny tontolony, ny kolontsaina, ary ny finoana izay mibaiko ny fiainana sy ny fiaraha-monina. Hosoratantsika ho roavolana tsirairay ny fampianarana mba hamakafaka ireo foto-kevitra lehibe toa ny tsiny sy ny tody, ny hery tsy hita, ary ny anjara toeran’ny literatiora eo amin’ny fiarahamonina. Ny tanjona dia ny hampivelatra ny fahaizanao amin’ny famakafakana sy ny fandinihana lalina, sady hiezaka hampifandray izany amin’ny zava-misy ankehitriny ianao.